Actualités

Hain-trano tao Ankasina 7 no maty, 454 tsy manan-kialofana


  • Talata 27 Septambra 2016

Nitrangana hain-trano goavana tao amin’ny fokontany Ankasina ny alahady alina lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany.

Vokatry ny fifamalian’olon-droa avy tamina trano hazo iray no voalaza fa niteraka ny afo izay niitatra eran’ny tanàna  ka namono olona miisa valobe izao. Ny iray tamin’ireo vehivavy bevohoka, zaza latsaky ny valo taona kosa ny iray. May nikainkona toy ny kitoza izy ireo nalaina tao anaty entana sy lavenona, araka ny fanazavan’ny kolonely Rabemanantsoa Michel,  lehiben’ny mpamonjy voina etsy Tsaralalana. Notsindriany fa efa tena niezaka izy ireo nifehy ny afo. Sivy minitra monja taorian’ny nahazoany antso dia efa tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina  ka lehilahy  miisa 35 no nifanome tanana  ankoatra ny fokonolona. Fiaraben’ny mpamonjy voina miisa fito sy kamiaon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra iray no indray namono ny afo ka ora iray dia voafehy. 300 metatra niala tao amin’ity fokontany ity moa vao nahita aro afo (bouche d’incendie) izy ireo ary nampiana môtô pompe. Trano miisa 50 tafo no indray ripaka, fianakaviana miisa 112 no tsy manan-kialofana izay misy olona miisa 454. Ity no hain-trano voalohany namoizana ain’olona betsaka indrindra teto an-drenivohitra hatramin’ny fiandohan’ny taona, mitotaly 54 ny fitambaran’izy ireo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT