Actualités

Hain-trano goavana tao Ifanadiana Nitondra fanampiana ny praiminisitra Ntsay Christian


  • Talata 07 Mey 2019

Nidina ifotony tany Ifanadiana ny delegasionina notarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian, nijery ifotony ny fahavoazana sy ny fomba entina hanarenana ny voka-dratsin’ny hain-trano mahatsiravina nitranga tao amin'ny distrikan’Ifanadiana ny alin'ny sabotsy 04 mey 2019 lasa teo.

 

 

 Nankahery ireo traboina ny tenany ary nanolotra ny fanampiana avy amin'ny fitondram-panjakana toy ny vary 5 taonina, voamaina 2,5 taonina, kojakoja fampiasa an-dakozia hoentin’ireo niharam-boina iatrehana vonjimaika ny fahavoazana. Mbola hisy ihany koa ny fanampiana entina hanarenana ireo trano may toy ny famatsiana tafo. Tsy adinon'izy ireo ny namangy ireo naratra vokatr'izao hain-trano izao. Soatoavina Malagasy, hoy izy ny voin-kava-mahatratra ka tokony hifanome tanana ny mpiara-belona rehefa misy ny loza tahaka izao. Nohamafisiny ihany koa ny tokony hijoroana amin’ny fahamarinana mba hisorohana ny fanararaotana samihafa. Marihina fa efa misy toerana voatokana hametrahana vonjimaika ireo traboina.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT