Actualités

Hain-tany sy tsy fahampian-tsakafo any Atsimo Efa miasa any an-toerana ny BNGRC


  • Zoma 15 Janoary 2016

Mihamahazo vahana hatrany amin’izao fotoana izao ny hain-tany sy ny tsy fahampian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy vokatry ny tsy fisian’ny ranon’orana.

 

 

Tsy vitsy amin’ireo mponina no fantatra fa efa mivaro-pananana mihitsy mba hividianana sakafo, ireto farany izay efa tsy maharaka intsony mihitsy no sady miaka-bidy isan’andro eny an-tsena. Mba hahafahana mamaha ny olana ary dia fantatra fa halefa any an-toerana nanomboka anio zoma 16 janoary ireo iraky ny birao nasionaly mba hijery akaiky ny zava-misy, taorian’ny fitarainana nataon’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana. Anton-dian’izy ireo ny hijery ifotony ny fiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny, ny habetsaky ny ambin-tsakafo azo hamidy eny an-tsena, ny fifindra-monina aterak’izany, ny fahafahan’ny mponina mahazo ny rano fisotro madio, ny fihinanan’ny mponina raketa ary ny fipetraky ny tsy fanjarian-tsakafo mianjady amin’ireo ankizy latsaky ny dimy taona. Tanjona amin’izao fidinana ifotony hataon’ireo mpiasa eo anivon’ny BNGRC izao moa ny hijerena izay tena zava-misy marina iainan’ny mponina hahafahana mandray ny fepetra mifandraika amin’izany. Tsiahivina moa fa ny faran’ny volana Janoary ho avy izao izy ireo vao tokony hihazo ny faritra atsimon’ny Nosy saingy noho ny hamehana dia voatery nandeha aloha izy ireo.

 

Pati


 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT