Raha tsy misy fandraisana andraikitry ny fanjakana sy ireo tsara sitrapo dia hatahorana ho ripaky ny hanoanana ireo mponina marefo any amin’ny kaominina Maroviry, distrikan’i Bekily
faritra Androy, ianjadian’ny mosary amin’izao. Fokontany enina ankehitriny no tsy misy na sakafo indraim-bava arapaka, kere ty ndaty. Ny rano fisotro koa maloto tsy azo antoka intsony, ka mampirongatra ny aretin-kibo. Noho ny hanoanana diso tafahoatra, zaza telo matin’ny kere, raha ny vaovao voaray avy any an-toerana. Very hevitra ny mponina fa miaina ao anatin’ny tsy fisian-drano sy sakafo ary voankazo manga hany sisa ataon’izy ireo sakafo. Noho ny tsy fisian’orana, ratsy dia ratsy ny vokatra tamin’ity taona ity, ka niteraka izao tsy fisian-tsakafo izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.