Naneho ny heviny ireo mpikambana HAFARI Malagasy omaly taorian’ny nampidirana am-ponja vonjimaika ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina ny alatsinainy 22 aogositra lasa teo.
Amin’izy ireo dia tena famonoana ny Malagasy sahirana ny fanagadrana ny filohany. Asa soa no nataon-dRafanomezantsoa Jean Nirina tamin’ny madinika, asa izay mitaky finiavana sy fitiavana nefa izy indray no nalefa any am-ponja. Miisa 17 ireo fitoriana an-dRafanomezantsoa Jean Nirina izay nahazoany fahafahana vonjimaika avokoa ankoatra ny dosie iray izay miampanga azy amin’ny fisandohan’andraikitra tamin’ny namindrana olona nipetraka tamin’ny tanin’ny orinasa Filatex teo Andrefanambohijanahary nankao Namontana, no nampidirana azy am-ponja. Milaza ireo mpikambana fa nisy fifampiraharahana izany izay narahina taratasy avy amin’ny orinasa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.