Ao Faravohitra ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antsoatany Antsirabe II no toerana nosafidian’ny Hafari Antsirabe tarihan’Atoa Andry Tiana Rakotojaona hanorenana ny tanŕna vaovao hanatanterahana ny tetikasa Exode Urbain any amin’ity Faritra ity.
Tanàna roa no hatsangana ao dia ny antsoina hoe “zône résidentielle” na ny Iles éparses du St Pierre sy ny “zône agricole“ hambolena sy hiompiana na ny Iles éparses de la Ste Vierge. Omaly dia nidina tany an-toerana nitsidika sy nanara-maso ny fanombohan’ireo efa nahazo ny anjara taniny ao amin’io Iles éparses du St Pierre ny fananganana trano fonenana vaovao hipetrahany ny Hafari Foibe notarihan’ny filoha nasionaly Rafanomezantsoa Jean Nirina sy ireo mpanara-dia azy niaraka tamin’ny filohan’ny Hafari Antsohihy sy Mahajanga. Tany nanan-tompo nefa efa nifanarahan’ny Hafari taminy no nozaraina tamin’ireo hifindra monina any ka hanorenana trano miisa 200 ao aminy. Ny 100 amin’izany dia trano biriky efajoro mahazatra misy efitra 3 sy trano fidiovana miaraka aminy ary ny 100 hafa dia trano “maison écologique” amin’ny endriny boribory vita amin’ny tanimena sy tanimanga ary simenitra mitambatra nofonosina gony propylène ary mbola holalorina simenitra ety ivelany. Modely navoakan’ny Califorinia Institute izy io ary ny mpanao maritrano Irano-amerikanina Nader Khalili no nanaparitaka azy ho azo haorina maneran-tany. Eo amin’ny 20 tapitrisa ka hatramin’ny 25 tapitrisa Ar eo no tomban’ny fananganana ny trano. Ireo efa nahazo ny tany ihany no hanamboatra azy fa ho eo ambany fanaraha-maso sy fitarihan’ireo tanora injeniera malagasy 20 nivoaka avy teny Vontovorona miaraka amin’ny Hafari Malagasy no manatanteraka ny asa. Hotokanana amin’ny 7 novambra 2015 izao izay vita. Nomarihan’ny filoha nasionalin’ny Hafari omaly fa afaka mampiasa ny herim-pony ao anaty firaisankina ny Malagasy ka hahavita fihariana ho azy manokana hivoaran’ny fiainany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.