Manomboka amin’ity herinandro ity ny fikarakarana ny tany hamafazana masomboly eny amin’ny tanŕna vaovao hisy ny mpifindra monina an-tsitrapo karakarain’ny Hafari Malagasy, eny Andranomasina Ambohidratrimo, hoy ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina.
Marihina, hoy izy, fa fanavotana ireo tena vonon-kihoitra amin’ny fiainany ity tetikasa ity. Hialana amin’izany ny findramam-bola any amin’ny banky sy ireny rafitra fampisamboram-bola isan-tsokajiny ireny ka hampidi-trosa azy ireo indray. Avy hatrany dia ny lalam-pihariana hampidi-bola avy hatrany no hotrandrahana eny amin’ireny toerana hifindra-monina ireny, hoy ihany ity filohan’ny Hafari ity. Orinasa telo no efa miara-miasa amin’ny fikambanana ao anatin’izany, hatramin’izao. Misy karazam-bokatra efatra sahady koa, nahitana mpandray any ivelany, amin’izao fotoana izao, ka tsy maintsy voaondrana amin’ny volana febroary izao, hoy izy. Hohafainganina, araka izany, ny fizarana ny tany, hanenjehana io fe-potoana io. Efa eo an-dalana fanamboarana zezika biolojika ny mpifindra monina, amin’izao fotoana izao. An-dalam-pikarakarana koa ny antontan-taratasy hahazoana mitrandraka vato fanamboaran-trano ao Andranomasina. Mbola nomarihan’Atoa Jean Nirina ihany koa fa efa nahita velaran-tany midadasika maromaro hozaraina amin’ny mpifindra monina ny fikambanana Hafari Malagasy hahazoana manatanteraka ny tanjona amin’ny fampananana tany ny Malagasy tsirairay. Tsy tokony hisy olana fa malalaka ary ampy hozaraina amin’ny Malagasy rehetra ny tany eto Madagasikara, hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.