Actualités

Hafampana eny Anosy Hotsaraina anio ireo Miaramila 27


  • Talata 02 Jolay 2019

Hiakatra fitsarana anio talata 02 jolay 2019 ny raharaha fatin’olona telolahy hita nifatotra tao amin’ny reniranon’i Onive teny Ampitatafika, distrikan’Antanifotsy ny 31 mey teo.

 

 

 

 

Taorian’ny fahazoan-dalana avy amin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena nahafahana nanenjika ireo miaramila na ny “ordre de poursuite”, dia miaramila 20 avy ao amin’ny RFI Ivato no naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy, ary ny 7 kosa eny  Antanimora. Toa niteraka lonilony teo amin’ny tafika sy ny mpitsara io raharaha io satria ny 17 jona ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) Atoa Clément Jaona fa misy ny teritery sy ny tsindry natao tamin’ny mpitondra ary nisy resaka hatramin’ny mety hisian’ny fikomian’ny naman’ireo miaramila raha tsy mivoaka ny namany. Mety nahazo fampanantenana fa harovana ve ireo miaramila matoa nanaiky mora foana ny fisamborana sy fanagadrana vonjimaika ? Nilaza ny tsy hanaiky tsindry ny mpitsara. Andrasana izay ho valin’ny fitsarana anio fa tena raharaha saropady izy io satria anisan’ny manamarika ny fiandrianam-pirenena ny fitsarana sy tafika, saingy raha ny zava-misy dia samy miaro ny namany satria ny fitsarana milaza fa tsy hanaiky teritery ary ny an-kilany ihany koa mety mitaky ny fanafahana ny namany. Hafampana io raharaham-pitsarana io. Efa nampifandona ny mpitsara sy ny mpitandro filaminana ny raharaha nahafaty ny mpitsara Rehavana Michel ny taona 2010. Ary mba aiza ho aiza ny tohin’ny raharaha Antsakabary nisian’ny polisy 40 eo voarohirohy tamina fandorana tanàna ? Tsy afa-mihetsika ve ny fitsarana satria mifanehitra amin’ny manam-basy ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT