Actualités

Hadalan’ny Taksibe Olona 12 no maty, 32 naratra mafy


  • Sabotsy 30 Aprily 2016

Voaporofo indray omaly ny gaboraraka sy ny tsy fitandreman’ny taksibe fa dia olona am-polony no maty noho ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny fandehanana mafy sy ny fifanenjehana ary ny fisongonana.

 

12 no indray namoy ny ainy omaly zoma, ny 6 amin’ireo dia vokatry ny fifandonana taksibe an’Alakamisy Ambohidratrimo sy taksibe an’Ambohitrimanjaka teny amin’ny lalana Digy akaikin’ny kianja Maki, ary ny 6 izay ankizy avokoa  dia noho ny loza nitranga tany Andohamasina Mahitsy, fiara taksibe nitondra mpianatra avy nitsangatsangana nivarina tany an-kady. Samy fiara Sprinter no fototry ny loza teto.

Fisongonana

Vao maraina omaly, nihosin-dra ny arabe teny amin’ny lalana digy Andohatapenaka, manakaiky ny kianja Maki. Fiara taksibe 307 iray mampitohy an’i 67 ha sy Ambohitrimanjaka, izay feno mpandeha  handeha hiakatra mantsy  no nifandona tamina fiara sprinter iray mampitohy an’Ivato sy Vassacos. Tokony ho tamin’ny 5 ora maraina teo no nitrangan’ny loza. Tokony hifanena tsotra izy ireo, saingy noho ny fandehanana mafy, raha araka ny vaovao dia nifanao “face à face”. Fantatra fa tena nandeha mafy ary niezaka nisongona fiara ilay Taksibe Sprinter  Ivato kanefa tsy afaka koa dia nifanehitra tamin’ilay taksibe Ambohitrimanjaka avy eo nivarina tany an-tanimbary. Mpandeha 5 no fantatra fa maty teo no ho eo, 7 nampidirina hopitaly noho ny ratra ka ny iray sisa no manaraka fitsaboana fa efa afaka nody ny 6.

SARY:Nahery vaika ny fifandonana, potika tanteraka ilay taksibe an’Ambohitrimanjaka

Saofera mamo

Fa mbola loza amin’atambo koa no nitranga teny amin’ny lalam-pirenena faha-4 teo amin’ny PK 31+400 tokony ho tamin’ny 4 ora sy 10 minitra tolakandro. Taksibe, mbola sprinter ihany izay nanao “Spécial” nitondra mpianatra avy nitsangantsangana ka tokony hanatitra azy ireo eny Ambohimanarina, satria mpianatra avy ao amin’ny Pépite d’Or III Ambodivonkely ireto ankizy ireo,  no nandeha mafy loatra ka nivarina tany anaty hantsana. 7 no namoy ny ainy izay ankizy mpianatra ny ankamaroany, 25 kosa naratra. Voaporofo teto fa mamo ny mpamily ka tsy voafehiny intsony ny fiara nentiny. Nitsapa alahelo sy nankahery ireo fianakaviana niharam-boina halina ny fitondram-panjakana notarihan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly. Hentitra ny filoham-pirenena fa tsy maintsy handray ny andraikiny ny fitondram-panjakana.

SARY :Nifatratra tany an-kady ilay taksibe nentina mpamily mamo

RTT sy Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT