Nambaran’ny filohan’ny H-REM na ny “Hommes de reserves sy Ex-Militaire”, Harisson Jean, ny faran’ny herinandro teo tamin’ny fotoana fifampiarahaban’ny fikambanana nahatratra ny taona teny Betongolo fa voatonontonona foana amin’ireny asa ratsin’ny tsy fandriampahalemana misy eto amin’ny firenena ry zareo ka hamadika ny pejy.
Fantatra fa hatao taonan’ny asa ity 2016 ity ho an-dry zareo. Havadika ho tolo-tanana homena ny fanjakana raha sitrany. Na tsy hoekena aza moa efa nanaiky ny maha ara-dalàna ny H-REM sy ny tanjona napetrany izy ka tsy maintsy hiroso amin’ny asa izahay. Nambarany fa mbola betsaka ny adidy miandry ny H-REM eo amin’ity tanindrazana iombonana ity sy ny adidy andrasan’ny firenena aminy. Efa mihoatra noho ny ananan’ny fanjakana ireo fitaovana hampiasain’ireo jiolahy ka mila antsoina ny Ex-militaire sy Hommes de reserves izay mahay mitam-basy hametraka izay fandriampahalemana izay raha homena fahefana hanao izany. Ambarako ary, hoy ity filohan’ny H-REM ity, fa hanatanteraka “Assise nationale” ny H-REM amin’ny volana jona izay hatao eto Antananarivo ka ny “assise regionale” no hialoha izany amin’ity volana febroary ity. Nambarany koa fa hametraka ny “sécurité urbaine” izy ireo. Tsy hoe ratsy ny hevitra avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny hiroso amin’izany araka ny tolo-kevitry ny H-REM fa tsy ampy. Raha homena ny H-REM fotsiny ny vola 250 tapitrisa holaniana amin’ireo polisy 1000 hampidirina ireo isan’andro na dia miisa an’aliny aza izahay manerana an’i Madagasikara dia homena toky fa handry fahalemana ity tanàna ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.