Hentitra ny fanambarana nataon’ny Kestora fahatelo eny anivon’ny Antenimieram-pirenena Malagasy, ny depiote Guy Rivo Randrianarisoa,
raha naneho ny heviny mikasika ny fifanolanan’ny Vondrona Tiko sy ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany mikasika ny tany eny Andohatapenaka kasaina hanorenana toby fiantsonana fiara mpitatitra mpandeha. Aoka hovana ny fomba fijery amin’ny fanaovana politika eto amintsika, hoy izy, ka mila hazavaina amin’ny Malagasy ny anton’izao fangoronan’ny vahiny tany eto amintsika izao. Amiko, hoy ity solombavambahoaka voafidy teny amin’ny Boriborintany faha-5 Antananarivo Renivohitra ity dia tsy misy hilako adihevitra hifanaovana amin’ny depiote namana tahaka an-dRaholdina na amin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany fa amin’ny resa-tany dia an’izay manana ny “titre” mazava ny tany fa tsy an’izay manam-bava mahay miresaka. Aoka tsy ho dedaka handray vahiny amin’ny Frankofonia eto isika nefa isika samy isika aza tsy mifanaja. Mitovy amiko ny fomba fiasan’ny FIS notarihan’ny kolonely Lilison tamin’ny tetezamita sy ny fiasan’izao Emmoreg amin’ny Repolbika faha-4 izao, hoy izy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.