Actualités

“Guichet unique” Tanà-Masoandro Mila serasera mazava fa tsy atao resaka maimaika


  • Alakamisy 31 Oktobra 2019

Misokatra ny ny “guichet unique” momba ny Tanà-Masoandro etsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka handraisana ireo olona voakasika amin`io tetikasa goavana io.

 

 

 Ny APIPA moa no miandraikitra ny fanelanelanana eo amin`ny mponina voakasika amin`ny tetikasa sy ny fanjakana Malagasy. Raha ny tatitra voaray, dia maherin`ny 100 ireo olona amin`ireo fianakaviana 738, no nandalo teny an-toerana nanontany hevitra. Ny zavatra hita hatramin`izay, hoy ny teo anivon`ny APIPA, rehefa misy tany na tranon`olona voakasika amina tetikasa toy izao dia misy fahasahiranana be eo amin`ilay olona. Ity farany anefa dia efa alaina ny taniny amin`ny fanasoavana vahoaka kanefa izy indray no sahirana amin`ny zavatra hafa ka sao tsy hahazo izay onitra tokony ho azony. Natao hitondrana ainga vaovao ity eny amin`ny Village Voara ity hanampiana ireo olona voakasika amin`izany. Mandray fepetra ny APIPA amin`izao mba tsy hisian`ny kitranoantrano ka ny “commission additive d`evaluation” no misahana ny fanamoranana ny asa eny an-toerana. Tafiditra ao amin`io vaomiera io ireo sampandraharam-panjakana hisahana ny fanelanelanana  toy ny hetra, fananan-tany, ny kaominina… Izao fakan-kevitra izao dia natao ho tena fanatanterahina ireo asa fanampiana olona mba hanamorana ny fandraisan`izy ireo ny onitra sahaza azy. Ity vaomiera ity ihany koa no misahana ny famaritana ny onitra. Ny tetikasa toy itony aloha dia tsy maintsy mifanahantsahana amin’ny haben’ny tetikasa ny fivelaran’ny serasera. Mila serasera  mazava sy tsy mivadibadika ity raharaha ity satria izany no tena mampifanolana hatramin`ny fiandohan`ny tetikasa. Hafa ny fampitam-baovao eny Ambohitrimanjaka, hafa ny an`ny fiadidian`ny Repoblika… Raha tsy misy izay dia tsy maintsy manjaka foana ny fahatahorana ny fiovana, miteraka fandavana sy fanoherana na dia zavatra mahasoa izao aza no aroso.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT