Actualités

« Groupes électrogčnes » Jirama Andaniana 200 miliara isan-taona


  • Talata 22 Martsa 2016

Vola be tsy misy toy izany no lany amin’ny famatsiana solika ny orinasa JIRAMA. 300 miliara isan-taona amin’ny ankapobeny ny vola fanampiana omen’ny fanjakana ny orinasa Jirama.

 

 Lany ividianana solika ho fampihodinana ireo gropy mpihary herinaratra ny 200 miliara, izany hoe, ny roa ampahatelon’ny vola. Miteraka adihevitra tokoa ny fampiasana ireto gropy ireto ankehitriny.

Mampimenomenona ireo mpamatsy vola mahazatra toy ny FMI io 200 miliara isan-taona lany amin’ny famatsiana solika ireo gropy mandeha amin’ny solika ireo ary milaza ny tsy hamoaka ny fanampiana an’i Madagasikara izy ireo raha tsy misy fepetra hentitra mikasika izany. Mampametra-panontaniana ihany anefa izany fihetsiky ny mpamatsy vola izany satria izy ireo mihitsy no nampirisika sy nanampy ara-bola ireo fitondrana teo aloha tamin’ny fividianana ireo gropy ireo. Ankehitriny anefa ireo mpamatsy vola indray no milaza fa tsy azo ekena intsony ity fandaniana be amin’ny famatsiana solika ny Jirama ity.

Tetezamita

Loza tsy roa aman-tany anefa ny zava-nitranga nandritra ny Tetezamita. Nandray fanapahan-kevitra ny mpitondra tamin’izany nampidina 15% ny vidin’ny herinaratra. Famitahana ny mpiray tanindrazana tsotra izao satria vao mainka nampitombo ny fatiantoky ny orinasa Jirama izany ary dia mizaka ny vokatr’izany fanapahan-kevitra tsy tamim-piheverana noraisin’ny mpanongam-panjakana ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana. Tafakatra 0,26 euros ny vidin’ny 1 kWh ary mbola izany no misy ankehitriny.

Ny zavatra tsy fantatry ny vahoaka anefa dia lasa fidiram-bolan’ireo mpitondra Tetezamita ireo gropy ireo ary efa misy mpandraharaha Malagasy tompon’ny fanapahana nandritra iny Tetezamita iny manan-draharaha eny amin’ny Bianco momba izany amin’izao fotoana. Mbola tafiditra ao anatin’ny fandrebirebena vahoaka nataon’ireo mpanongam-panjakana ihany koa io fampidinana ny vidin’ny herinaratra nandritra ny tetezamita io.

Herin’ny masoandro

Tokony hitodika amin’ny fampiasana ny herin’ny masoandro amin’izay isika hialana amin’ity vola be lany amin’ny famatsiana solika ireto gropy ireto. Voalazan’ny manampahaizana fa tafidina hatrany amin’ny 0,16 euros ny 1 Kwh raha ampivadiana amin’ny herinaratra azo avy amin’ny masoandro ny angovo anodinana ny orinasa Jirama. Toa malailay amin’izany anefa ireo mpamatsy vola toy ny FMI satria azy ireo ihany ireo orinasa vahiny mpanafatra sy mpamatsy solika eto amintsika ka mety hampidina ny fidiram-bola ny fidiran’ny fanjakana Malagasy amin’ny fampiasana izany herin’ny masoandro izany. Andrasana, araka izany, izay fepetra sy fanapahan-kevitra horaisin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina manoloana ity fandaniana vola 200 miliara isan-taona amin’ny famatsiana solika ireto gropy ireto. Andrasana toraka izany koa ny fihetsiky ny mpamatsy vola toy ny FMI izay nampidi-kizo ny firenena tamin’ny fividianana sy fampiasana ireto fitaovana ireto.

Rabri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT