Vondrona iray anisan’ny mijery akaiky ny maha olona ny vondrona Vidy Varotra. Noporofoiny tamin’ny alalan’ny fanolorana mari-pankasitrahana sy fanomezana ho an’ireo zanaky ny mpiasa miisa fito afa-panadinana CEPE sy BEPC tamin’iny taom-pianarana nivalona iny izany omaly, tetsy amin’ny foiben-toerany etsy Soanierana.
Nambaran-dRakotoson Sylvia tompon’andraikitry ny fiahiana ny mpiasa (DRH) ao amin’ny Vondrona fa hampirisika ny ray aman-dreny ao anatin’ny orinasa hampianatra ny zanany no tena tanjona. Eo ihany koa ny fampirisihana ny zanaky ny mpiasa hianatra tsara hatrany. Hahazo fampianarana miteny frantsay maimaimpoana ihany koa izy fito mianadahy kely afa-panadinam-panjakana ireto ary nahazo valopy ho azy manokana. Nofaranana tamin’ny fialana hetaheta ny lanonana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.