Toy ny fanaony isan-taona dia namaly fitia ireo zanaky ny mpiasa afa-panadinam-panjakana tamin’ity taona 2018 ny Vondron’orinasa Vidy Varotra tarihin’ny filoha tale jeneraliny Atoa Tahiana Razafinjoelina.
Ankizy 25 mianadahy no notolorana fanomezana dia ireo nahazo ny mari-pahaizana licence, ireo afa-panadinana Bakalôrea, ny afaka BEPC ary ireo kilonga madinika nahazo ny CEPE. Valopy hahafahan’izy ireo manampy ireo fitaovam-pianarana ilainy na koa hiatrehany ny fety no natolotra ireo ankizy mpianatra tamin’izany izay manana tanjona hanosika sy hampirisika azy ireo bebe kokoa hanao ny tsara hatrany. Nambaran’ny filoha tale jeneralin’ny Vondrona Vidy Varotra fa ny hampirisihina ireo mpiasa ao aminy hiezaka hampiana-janaka hatrany no tena tanjon’izy ireo satria ny fianarana no lova tsara indrindra. Tsy hijanona amin’ny fanomezana fotsiny ihany izy ireo raha ny nambarany fa horaisin’izy ireo hanohy fianarana ao amin’ny ITU University izay sekoliny ihany koa ireo zanaky ny mpiasa afa-panadinana Bakalorea siantifika ho an’izay mazoto ary azo hifampiraharahana sy hifandaminana tsara ny saram-pianaran’ny mpianatra amin’izany. Ny fahaizana mikirakira ny informatika avo lenta izay mampalaza ny ITU University mantsy raha ny nambarany no be karama indrindra amin’izao ka omeny tombony ireo zanaky ny mpiasa. Tsiahivina fa ahitana ny ITU Univesity, ny gazety Vidy Varotra, Tia Tanindrazana, ny Jejoo, ny gazety Job, ny top Radio, ny ketrika.com ….ao anatin’ity vondrona iray ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.