Actualités

Groupe TIKO Ho avy masiaka


  • Alakamisy 13 Oktobra 2016

Ao anatin’ny fanomezana aina vao ny raharaham-barotra tantanan’ny orinasa TIKO, dia nihaona tamin’ny profesora James Robinson ny omaly maraina teny Faravohitra Atoa isany Josoa,

Tojo ary Maika Ravalomanana, izy telo mirahalahy zanak’i Marc sy Lalao Ravalomanana izay mpandimby azy mivady amin’ny fitantanana sy fampiroboroboana ny TIKO.Samy manana ny talentany izy telo mirahalahy ireo ao ny nianatra sy nandalim-pahaizana momba ny fitantanana sy ny resaka ara-barotra,  ny hay tarika (leadership) ,  ny toekarena ary ny hay politika (science politique).Tsy nipetra-potsiny ny fianakaviana Ravalomanana tao anatin’ny enin-taona fa nianatra sy nandalina ary nikaroka hevitra hatrany hirosoana amin’ny tsara kokoa eo amin’izay zavatra ataony.  Miezaka hatrany mitondra ny anjara birikiny eo amin’ny fampiroborobona ny toe-karena eto Madagasikara  ny TIKO , ary  izany indrindra no antony niantsoany manam-pahaizana manokana momba ny toe-karena tahaka ny Pr Robinson mba hiara-midinika ; izy telo mirahalahy ireto moa dia tanora mirotsaka eo  amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ka mila fianarana sy fakana traikefa izany. Fantatra tamin’ity fihaonana omaly teny Faravohitra ity ary  fa hiezaka handray anjara mavitrika eo amin’ny lafiny toe-karena eto Madagasikara  ity orinasa ity, ka sady ahazo  tombontsoa ny mpanjifa no ahazo aina koa ny toe-karem-pirenena. Manomboka izao koa dia hametraka paik’adim-barotra vaovao ny Groupe TIKO . Tsiahivina fa  efa misokatra ary mamatsy ny mpanjifa amin’ny zavatra ilaina amin’ny andavanandro ny orinasa TIKO. Efa ezahana ihany koa ny  manokatra ny tranombarotra MAGRO amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Mivoatra ny tontolo ka manaraka izany fivoarana izany ihany koa ity orinasa ity, misy ny zava-baoao sy fiovana tsy maintsy atrehana ary iaraha-mahita fa mafy ny fifaninanana.Efa vonona ary tsy matahotra izany fifaninanana izany ny Groupe TIKO, mazava ho azy fa atao ao anatin’ny fifanajana kosa anefa izany ary manana andraikitra goavana ny fitondram-panjakana hanara-maso sy hampanaja ny lalàna velona.Tsiahivina hatrany fa anisan’ny orinasa Malagasy mamelona fianakaviana an’arivony ny TIKO ary voasokajy ao anatin’ireo orinasa matanjaka indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina sy ny kaontinanta Afrikanina.

RTT


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT