Hanangona vatomamy, sôkôla ary bisikoitra hozaraina amin’ireo ankizy sahirana eto an-drenivohitra ny « Groupe des jeunes Malganches solidaires ».
Ny 26, 27 ary 28 desambra ho avy izao no hanangonana ny entana hozaraina amin’ireo ankizy sahirana miisa 3.000 amina fokontany telo eto an-drenivohitra dia i Manarintsoa Atsinanana izay misy ankizy 2.000 isa tena sahirana, Antaniavo Antohomadinika ary Anjezika I. Toerana roa no azo hanaterana ny fanomezana, hoy ny fanazavan-dRakotomalala Thony, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ity vondrona iray ity dia ny etsy amin’ny Nect’art Ankaditapaka sy ny eny amin’ny tanànan’ny Krismasy eny Andohatapenaka. Tanjona ny hahafahana manaitra ireo tanora rehetra eto an-drenivohitra amin’ny fanampiana ireo ankizy sahirana, indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taona vaovao izao. Toraka izany koa ny mpitondra fanjakana izay tena tokony hanohana ny hetsika tahaka izao, hoy hatrany izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.