Actualités

GROUPE DES JEUNES MALGACHES SOLIDAIRES Hizara vatomamy ho an'ny ankizy sahirana


  • Sabotsy 24 Desambra 2016

Hanangona vatomamy, sôkôla ary bisikoitra hozaraina amin’ireo ankizy sahirana eto an-drenivohitra ny « Groupe des jeunes Malganches solidaires ».

 Ny  26, 27 ary 28 desambra ho avy izao no hanangonana ny  entana  hozaraina amin’ireo ankizy sahirana miisa 3.000 amina fokontany telo eto an-drenivohitra dia  i Manarintsoa Atsinanana izay misy ankizy 2.000 isa tena sahirana, Antaniavo Antohomadinika ary Anjezika I. Toerana roa no azo hanaterana ny fanomezana, hoy ny fanazavan-dRakotomalala Thony, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ity vondrona iray ity dia ny etsy   amin’ny Nect’art  Ankaditapaka sy ny eny amin’ny tanànan’ny Krismasy eny Andohatapenaka. Tanjona ny hahafahana manaitra ireo tanora rehetra eto an-drenivohitra amin’ny fanampiana ireo ankizy sahirana, indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taona vaovao izao. Toraka izany koa ny mpitondra fanjakana izay tena tokony hanohana ny hetsika tahaka izao, hoy hatrany izy ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT