Gadra tokony hiatrika fitsarana miisa 25 mianadahy mianaka omaly no tsy afaka nandalo teny amin’ny Fitsarana Anosy, araka ny hita teny amin’ny fonjaben’Antanimora.
Tsy nihemotra tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny ireo mpandraharahan’ny fonja fa niroso tamin’ny fitokonana efa nolazainy. Tsy nitondra ireo voafonja mivoaka toy ny mahazatra intsony izy ireo sady tsy mandray vaovao ihany koa. Araka ny fanazavan’ny lehiben’izy ireo dia mbola miankina betsaka amin’ny valin-teny azon’izy ireo amin’ny minisiteran’ny fitsarana ny mety ho fitsaharan’ny fitokonana ataony na tsia. Na izany aza, mamonjy ny toeram-piasany ihany izy ireo fa tsy miasa. Tsy misy atahorana kosa ny fitandroana ny fandriampahalemana eny am-ponja fa vao mainka mihamafy. Tsy vitsy tamin’ireo fianakaviana manana voafonja tokony hotsaraina no very fanahy mbola velona tetsy Anosy omaly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.