Actualités

Grevin’ny Sempama Nosy Jerem-potsiny fa olon’ny Minisitra


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2016

Ny mpigrevy mipetraka amin’ny sekolim-panjakana ao Mahamasina, ny tokontanin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena anaovana fitokonana. Ny sorabaventy ampiasain’ireo mpitokona amin’io, amin’ilay lafo vidy

. Midika fa nandaniana vola ny nanao azy. Fitakiana tombontsoa ara-bola anefa no isany anton’ny grevy ataon’ny Sempana Nosy. Miditra birao mamoaka mpiasa hitokona mihitsy ny mpigrevy ny herinandro lasa iny, fa tsy misy mpitondra miraika ; na ny Emmo-Reg aza manao tazan-davitra. Ny minisitra tompon’andraikitra etsy ankilany milaza ny « tsy hamaly » mihitsy, raha nanontanian’ny mpanao gazety. Hafa kely, mahagaga mihitsy ! Ao anatin’izany no mivoaka ny feo fa olon’ny Minisitra Paul Rabary ihany ireto mitarika fitokonana ireto, nampiasaina ho mpamono afo hatrany tamin’ny hetsiky ny mpampianatra mpanabe nivondrona tao amin’ny Sempama tarihin’i Raharovoatra Claude. Loharanom-baovao hafa ihany koa no milaza fa misy tandapa manozongozona ny toeran’i Paul Rabary, ka mety mody asaina migrevy aloha mba hanaitairana ny olon-drehetra, avy eo mipoitra izy hanaporofoany fa izy no mahafehy io fanabeazana io. Hiditra an-tsekoly, hanomboka taom-pianarana vaovao 2016-2017, ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana manomboka amin’ity 3 oktobra 2016 ity. Inona no hiseho, sa nandrangaranga ny hanao izay tsy hisian’izany fidirana izany ireto Sempama Nosy ireto ?

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT