Actualités

«Greffiers en chef concepteurs» 10 taona lasa no nisy farany


  • Alakamisy 28 Aprily 2016

Tokony haato ny grevy mandritra ny fifampiresahana sy fananganana komity hamahana ny olan’ny mpiraki-draharaha,

 

 hoy ny minisitry ny tombokasem-panjakana Andriamiseza Charles nandritra ny fahatongavany teny amin’ny lapan’ny Fitsarana Anosy. Mitohy kosa ny fitokonan’ireo mpiraki-draharaha eo am-piandrasana ny valin’ny fitakiana avy amin’ny fanjakana, hoy ny filohan’ny «Syndicat des greffiers de Madagascar» Rabenandrasana Nicolas. Efa maro rahateo ny fifampidinihana teo amin’ny roa tonta saingy nandamoka hatreto ny vokany. «Mandray ny asanay avy hatrany izahay vao voavaly ireo hetaheta miisa 3 takianay», hoy ihany ny mpitarika ny sendikan’ny mpiraki-draharaha eto Madagasikara. Voalohany ny fijoroan’ny rafitra miandraikitra manokana ny lafiny firaketan-draharaha eo anivon’ny fitsarana. Faharoa, tsy andrasana amin’ny volana aogositra 2016 ny fampiakarana 100% ny tahan’ny karama izay efa nahazo fankatoavana tamin’ny taona 2015. Fahatelo ny fampiharana ny voalazan’ny lalàna mikasika ireo antanatohatra 3 mandrafitra ny tontolon’ny mpiraki-draharaha, indrindra ireo «greffiers en chef concepteurs». Tamin’ny taona 2006 nandritra ny fitondrana Ravalomanana mantsy no nahitana farany io andraikitra ambony indrindra eo amin’ny firaketan-draharaha io teto Madagasikara.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT