Actualités

Governemanta vaovao Mampiozongozona ny sezan’ny filoha


  • Alarobia 13 Aprily 2016

Tsy hampiova ny zava-misy eto amin’ny firenena rahateo ny fanovana praiminisitra isan-taona. Ahiana hiozongozona mihitsy aza ny sezan’ny filoha Rajaonarimampi

 

 

anina raha tsy mbola ahitam-bokatra ho an’ny vahoaka ny asan’ny governemanta manaraka eo, araka ny fanazavany. Olana fototra eto amintsika hatreto moa ny rafitra mifantoka betsaka amin’ny fiarovana fahefana sy seza napetraky ny mpanjanatany, araka ny fanazavan’ny dokotera Razafindrakoto Harisson. Eo ihany koa ny tsy fananan’ny filoham-pirenena ankehitriny fotokevitra mazava hitondrana ny tany sy ny fanjakana na ny lafiny ara-politika io na ny sehatra ara-toekarena na koa ny tontolo sosialy mahakasika ny vahoaka mivantana. Voasembantsembana tsy afaka niasa malalaka rahateo ireo praiminisitra nifandimby hatramin’ny taona 2013 vokatr’io fandaharanasa manjavozavon’ny filohan’ny Repoblika io. Tsy mbola misy rahateo ny mpanohitra ara-dalàna ao anatin’ireo rafi-panjakana mijoro.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT