Actualités

Governemanta vaovao Hahazo minisitera 4 ny ankolafy Ravalomanana ?


  • Zoma 16 Janoary 2015

Tsy ho ela fa amin’ity herinandro ity ihany (mety ho anio na rahampitso) no hitsangana ny governemanta Jean Ravelonarivo. Re fa efa manana lisitra ahitana anarana olona 2 na 3 isaky ny minisitera ny eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika saingy mbola eo am-pandinihana tsara izay hatao minisitra ny filoha sy ireo mpanolotsaina azy. Re araka ny

tsiliantsofina fa  minisitra teo aloha 5 no mety mbola hotazonina ao anatin’ilay governemanta vaovao dia ny jeneraly Paza Didier (sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena), Rtoa Ramanantenasoa Noeline (minisitry ny fitsarana), Rakotovao Rivo (praiminisitra lefitra misahana ny fotodrafitrasa sy ny fanajariana ny tany), Razanfindravonona Jean (minisitry ny vola). Mandeha ihany koa ny resaka fa hahazo minisitera 4 ny ankolafy Ravalomanana. Tsy mbola misy resaka kosa na hiditra ao anatin’io governemanta io na tsia ry zareo Mapar miray hevitra amin’i Andry Rajoelina sy ny vondrona politika hafa. Manana endrika governemantan’ny firaisam-pirenena ihany amin’ny ankapobeny ny governemanta hijoro eo raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika, satria tena mbola ao anaty krizy ny firenena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT