Nivadika ho dom-bera fifanaovam-beloma sy fifampitsofandrano ny filankevitry ny governemanta natao teny Mahazoarivo ny tolakandron’ny talata 06 janoary teo. Filankevitra voalohany tamin’ity taona ity io, nomena fampilazana ho tsy maintsy tonga avokoa ny minisitra
Amin’ny efatra ora tolakandro no voatondro hanombohan’ny fivoriana. Eo moa ny “fotoan-gasy” ka dia tara antsasak’adiny vao raikitra. Fanao ny mifampiarahaba noho ny taona vaovao. Nanatrika ny fihaonana tamin’io ny vadin’ny praiminisitra. Rehefa nandray fitenenana nandritra ny 20 minitra teo ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Kolo Roger dia fisaorana tamin’ny fiarahana nandritra ny valo volana tao anaty governemanta sy ny traikefa azo tao anatin’izany no nasesiny, ary koa ny mety tsy hifankahitana intsony eny Mahazoarivo satria hisy ny tsy maintsy handao ny governemanta. Nitohy tamin’ny dom-bera ny fihaonana. Mazava ny resaka, ambivitra ny fanovana governemanta. Ny minisitra sasany aza moa efa nampiomana ny sain’ireo mpanolotsaina sy mpiara-miasa akaiky aminy. Tsy nisy fampitam-baovao toy ny mahazatra mitatitra izay tapaka tamin’io filankevitry ny governemanta ny talata teo io. Nanaitra koa omaly ny tsy nisian’ny filankevitry ny minisitra, fanao isaky ny alarobia, fa nahemotra ho amin’ity anio ity raha tsy misy ny fiovana. Mety ho fivoriana hamoahana didim-panjakana fanakaina fivoriana tsy ara-potoanan’ny solombavambahoaka handinika ireo volavolan-dalàna momba ny sata mifehy an’Antananarivo eo koa ny fifidianana loholona. Mety ho fisaorana ny ankoatra izay. Azo antoka anefa aloha fa tsy ho alohan’ny Asaramanitra eny Iavoloha rahampitso no hisian’ny fikitihana ny governemanta, ary tsy hialoha ilay fihaonana faharoan’ireo filoham-panjakana dimy, hotarihin’ny FFKM, amin’ny 13 janoary ihany koa. Tombanana ho fantatra alohan’ny faha-25 janoary 2015, hitsingeranan’ny taona voalohany nandraisan’i Hery Rajaonarimampianina fahefana feno amin’ny maha filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara azy, kosa anefa ny praiminisitra vaovao. Anarana maromaro no efa re amin’io toerana io toa an’i Ivohasina Razafimahefa, kolonely Ravelonarivo ary Atallah Béatrice.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.