Actualités

Governemanta Kolo Kiribiby sisa mbola ijoroany


  • Alarobia 12 Novambra 2014

Mitombo isan’andro vaky ireo fambara enti-milaza fa ho rava ny governemanta Kolo Roger. Taorian’ilay fitsipaham-pitokisana mbola misoko eny Tsimbazaza dia efa manomana ny ampitsony ny ankamaroan’ireo minisitra mpikambana ao anatin’io governemanta io

Fantatra izao fa niofo ho antoko politika ara-dalàna ankehitriny ilay fikambanana “Réfondation Totale de Madagascar (RTM)” nirotsahan-dRandriamampionona Joseph Martin na Dadafara ho kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013. Nandritra ny fivahinianany tao amina radio tsy miankina iray teto an-drenivohitra no nanambarany izany nivantana omaly. Minisitry ny fiompiana ao amin’ny governemanta Kolo Roger i Dadafara ankehitriny. Inona no nampihazakazaka azy nanangana antoko ? Tsy nanafina i Dadafara fa tsy mbola maty ao anatiny ny nofinofy ho tonga filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara na tsy ho amin’ny 2018 na 2023 aza araka ny nambarany, saingy ho an’ny mpandinika politika kosa dia fambara vaovao indray io fa mihozongozona ny governemanta Kolo Roger, ka efa manomana ny ampitsony ireo mpikambana ao anatiny ary mitety haino aman-jery sy an-gazety mampahafantatra sy manao dokambarotra ny mombamomba azy sy ny fitsanganan’ny antokony, toy ny nataon’i Dadafara omaly. Kiribiby sisa mbola ijoroan’ny governemanta eto na dia efa mihozongozona avy ao anatiny aza. Sa mitombina ny resaka miely fa volan’i Kolo Roger niomanany hiatrehana fifidianana raha tsy nosakanana izy, no tena nentina nampandaniana ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fihodinana faharoa, ka ho sarotra amin’ity farany ny hanilika azy amin’io toerana io ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT