Actualités

Goragora eny amin’ny fonja Gadra mandrapahafaty mbola nanao fanafihana mitam-basy


  • Alarobia 20 Janoary 2016

Ravan’ny zandary ny tambajotran-jiolahy mitam-basy iray izay nandravarava tamin’iny faritra SAVA iny.

 

 Efatra izy ireo, ahitana lehilahy telo sy vehivavy iray izay mpanome vaovao ny toerana hotafihin’izy ireo. Sarona niaraka tamin’izy ireo ny basy kalaky iray, izay tsy fantatra ny niaviany satria efa nokosehin’ireo jiolahy ny laharan’ilay basy. Mbola nahitana bala miisa 63 sy fanamiana miaramila ihany koa tany amin’izy ireo.

Nanafika tokantrano roa tany Befamelona Antsahavaribe, distrikan’i Sambava, izy ireo ny alin’ny 26 desambra 2015. Tao amin’ny tokantrano voalohany dia voaroba ny vola 5 tapitrisa Ariary miampy volamena 30g ary basy iray an’ny tompontrano. Tao amin’ny tokantrano faharoa indray dia 22,8 tapitrisa Ariary, vidin’ny lavanila no lasan’ireo jiolahy. Nitsoaka tany Antalaha-Vohémar-Ampanefena izy ireo taorian’ny fanafihana. Nikasa hilefa ao Sambava izy ireo no tratra tao anaty Taksibrosy avy any Ampanefena ny alatsinainy 18 janoary teo.

Nanaitra ny nahafantarana fa olona mbola migadra any amin’ny fonjan’Antalaha ary sazy mandrapahafaty, nanomboka tamin’ny 2008, ny iray amin’ireto jioahy tratra ireto. Mampametra-panontaniana ny fomba nahafahany nivoaka ny fonja nefa tsy nisy filazana fonja vaky na « Avis de recherche » ikarohana azy. Eo am-pelatanan’ny zandary ny raharaha, mandeha ny famotorana.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT