Taorian’ny fangatahan’ireo mpivarotra sy ny tompon’ny «Golden Center» etsy Soarano dia nosokafana vonjimaika ity tranombarotra ity omaly antoandro.
Tonga teny an-toerana nanatanteraka ny asany ny tompon’andraikitra avy ao anivon’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra niaraka tamin’ireo vadintany, ny orinasa SOCOTEC (Societe de Contrôle Technique) izay nanao ny fanadihadiana, ireo polisy monisipaly sy nasionaly nitandro ny filaminana, ary ireo solontenan’ny mpivarotra sy ny solontenan’ny tompon’ny Tranombarotra. Ny ahafahan’ireo mpivarotra mamoaka ny entany no anton’izao fanokafana vonjimaika. Eo koa ny hahazoan’ny orinasa «SOCOTEC» manatanteraka ny fizahana ifotony ny firafitra sy ny arofenitry ny trano. Manana 7 andro eo ho eo ireo mpivarotra hamoahana ny entany, ary am-pilaminana hatrany no heverina hanatanterahana izany. Nanambara ny solontenan’ny «SOCOTEC» izay hita teny an-toerana fa aorian’ny fanadihadiana no hampahafantarany amin’ny tompon’ny Golden Center ny asa tokony hataon’izy ireo, mba hampanarahana fenitra indray ny Tranombarotra. Mbola azo eritreretina tsara noho izany ny hisokafan’ny Golden Center aorian’ny fanitsiana sy fanamboarana tsy maintsy atao sy ny fahazoana fahazoan-dalana ara-dalàna avy amin’ny kaominina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.