"....fa ny tarigetranay, izay hotanterahina, hanasoa ny namanay sy ireo mpiara-belona....", ampahany ao anatin’ny tononkira faneva AAA-TIKO, io.
Anio no fantatra fa hivoaka indray eny amin’ny AAA-Magro Behoririka sy Tanjombato ny gilasy 500 ml. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, dia efa manomboka miharin-doha tsikelikely ankehitriny ny tiko AAA ary izany dia ao anatin’ny fitsinjovana indrindra ireo mpiara-belona araka ny tarigetra voalaza ao anatin’ny hira faneva. Ao anatin’ny famaliana miandalana ireo fangatahan’asa aman’aliny izay very vokatry ny fanonganam-panjakana sy ny krizy naterak’izany tamin’ny taona 2009 moa ankehitriny ity vondron’orinasa ity ary manohy hatrany ny fandrisihana sy fanentanana ireo mpiara-belona amin’ny fankafizana sy fanjifana ny vita Malagasy. Santatry ny fanomezana ao anatin’ny andro fety rahateo izao fampihodinana tsikelikely ny orinasa izao, rah any fanazavana, ary araka ny heno dia hisokatra ao Fianaratsoa sy Toamasina tsy ho ela ihany koa ny masoivoho vaovaon’ny vondron’orinasa tiko AAA.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.