Ny sabotsy 2 desambra lasa teo tamin`ny 5 ora sasany maraina manakaiky toeram-pialamboly iray tetsy Antanimena no nitrangana famonoana sy fandrahonana olona.
Niparitaka tamina tambajotran-tserasera ary niteraka resabe ity tranga ity. Olona telo ka ny iray tamin`izy ireo manambana basy sy mikasi-tanana olona roa, izay no hita ao anatin`ilay rakitsary. Fantatra ary fa mpisolovava ny iray amin`ireo niharam-boina ka zanaka manamboninahitra misahana ny fiarovana ny fiadidian`ny primatiora kosa ny iray amin`ireo telolahy nikasi-tanana. Raha ny fanazavana, somary teo afovoan`ny arabe no nisy azy telolahy ka voakasiky ny fiara nentin`ilay mpisolovava ny kiraron`ny iray tamin`ireo nahavanon-doza. Raikitra teo ny herisetra. Nandohalika ilay mpisolovava sady nifona saingy nanohy hatrany ny famonoana sy fampijaliana ireo telolahy. Nopotehina ny fiarany, nalaina avokoa ny antontan-taratasy ary nariana ny lakile. Nisy polisy tonga nanasaraka sy nandamina ny ady kanefa ity farany indray no nahazo fandrahonana. Nentina teny amin`ny hopitaly avy hatrany ilay mpisolovava voadona mafy teo amin`ny lohany. Tsy niandry ela dia nanao fanambarana ny teo anivon`ny polisim-pirenena mahakasika ny raharaha ka nilazana fa tsy maintsy ampiharina ny lalàna ho an`ireo nahavanon-doza. Aorian`ny fanadihadiana vao hampahafantarina ny mombamomba ireo olona nikasi-tanana sy nanambana basy an`ilay mpisolovava. Nohamafisin`ny polisim-pirenena fa tsy polisy ilay lehilahy nanambana basy. Nanamafy ihany koa ny holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara fa tsy maintsy saziana araka ny lalàna ireo telo lahy ireo ary mangataka ny hanafainganana ny famotorana. Ny sabotsy ihany dia nametraka fitoriana ny holafitry ny mpisolovava manoloana ny herisetra nihatra tamin`ny naman`izy ireo. Samy nanameloka ny trangana herisetra niseho teny Antanimena na ny polisim-pirenena na ny mpisolovava na mpiaro ny zon`ny olombelona hatramin`ny primatiora. Namoaka fanambarana ity farany fa manameloka tanteraka ireny herisetra ireny, ary manambara fa na inona na inona antony, tsy misy mihitsy manamarina ny fikasihan-tanana sy ny fandrahonana olona amin'ny basy tahaka izay niseho. Ny praiminisitra dia nanome baiko avy hatrany ny mpitandro ny filaminana mba hanokatra fanadihadiana ka henjehina, araka ny lalàna ary hosaziana ireo tompon'antoka nanao ny herisetra. Raha ny fampitam-baovao avy eo anivon`ny primatiora hatrany, naato tamin`ny maha talen`ny fiarovana azy eo anivon`ny fiadidian`ny primatiora ny jeneraly iray noho ny nanaovana hetsika fanavotana ny zanany amin`ny maha tompon’andraikitra ambony azy noho ny anton`ny fanapahan-kevitra. Miandry ny filankevitry ny minisitra ny fanesorana ofisialy ity jeneraly ity amin`ny maha talen`ny fiarovana azy. Fantatra fa nitolo-batana teny amin`ny sampandraharaha mpiandraikitra ny ady heloka bevava eo anivon`ny zandarimariam-pirenena ny iray. Hitohy ny fanadihadiana. Ny azo ambara dia olona samy akaikin’ny vondrona MAPAR ireto voakasiky ny savorovoro ireto satria ny iray mpisolovava ny antoko Freedom, ny iray kosa zanaka manamboninahitra ambony miasa eo anivon’ny primatiora amin’izao fotoana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.