Actualités

Gidragidra tany Morondava 1 maty , may ny biraon’ny zandary


  • Zoma 28 Septambra 2018

Gidragidra ny tany Morondava omaly alakamisy 27 septambra noho ny fitarihana olona hikomy, niafara tamin’ny fandrobana. 10 volana lasa izay, nisy halatra omby niseho tany amin’ny kaominina Befasy.

 

 

Nisy mpangalatra tratra ary nigadra ka nangataka fahafahana vonjimaika fa tsy nahazo tao amin’ny Fitsarana Morondava. Nakariny tany amin’ny “Cour d’appel” tany Toliara ka nahazo. Tezitra ny tompon’omby satria ny omby tsy hita kanefa ny mpangalatra votsotra. Raikitra ny fandrahonana nataon’ny olona miditra tamin’ny onjam-peon’ny radio RFM ao Morondava an’ny depiote Hawel Mamod'Ali avy amin’ny MAPAR, hoy ny fanomezam-baovaon’ny Lehiben’ny Faritra Menabe Atoa Gilbert Romain. Nafotaka ny faniratsirana fanjakana. Nanomboka ny alatsinainy teo dia nisy ny fanentanana ireo olona very omby rehetra tao Morondava ary notsindriana mihitsy hoe izay Tandroy rehetra manana olana, dia andao hiaraka aminay. Torak’izay koa ny mpamboly tsy mahazo rano avy amin’ny reniranon’i Dabaraha … Andao hiaraka hanohitra ny fanjakana ka hanao barazy ny alakamisy 27 septambra eo Betsipotika. Novoizina tao amin’io Radio io ny fitaomana ny olona hikomy, haniratsira fanjakana novoizin’ny mpiasan’ny onjam-peo sy ny olona niditra nivantana, hoy hatrany ity tompon’andraiki-panjakana ity. Raikitra tokoa ny barazy sy fanakanan-dalana ka tsy nisy afa-niditra sy nivoaka an’i Morondava. Norobaina ny fiara taksibrosy ary nisy ny olona voakapoka famaky sy voadaroka. Natao ny fifampidinihana ka nohazavaina ny antanantohatra rehetra amin’ny tribonaly, hoe raha misy tsy fahafaliana amin’ireo olona nahazo fahafahana vonjimaika, dia mametraha fitoriana vaovao hahafahana manenjika sy misambotra azy indray mandeha, ka dia niravona iny, hoy ny fanazavan’Atoa Gilbert Romain. Niditra tamin’ny hoe tsy maintsy mandeha ny rano, ka natao izay azo natao. Voavaly ireo olana roa ireo, saingy nisy andian’olona indray anefa tonga nandroba ireo fiara napetraka tany akaikin’ny tobin’ny zandary tao Analaiva izay 30 km miala amin’i Morondava, ka nanapoaka basy nanaitra sy niaro tena ny zandary noho ny filazan’ireto an-daniny fa tsy maintsy robaina ireo satria misy sakaosy sy vola, izay mpizahatany ny ankamaroany. Anisan’ny voaroba ny teratany Amerikanina iray. Nisy ny iray naratra ary maty avy eo ka nodoran’izy ireo ny biraon’ny zandary. Nisy andian’olona tafaporitsaka saika handroba sy hamaky trano tao Morondava, saingy efa misy ny voasambotra. Nanaratsy endrika ny fizahantany sy hampihena ny mpitsidika ity toe-javatra ity.

Ambadika politika !

Tsy avy amin’ny MAPAR ny mpitondra ao Morondava ary mampiakatra ny lanjan’ny antoko hafa toy ny HVM ny fahombiazana toy ny fiakaran’ny tahan’ny fizahantany, ny fahombiazan’ny foara ara-toekarena Renala, nahomby ny fandraisana ny fivorian’ny fifohazana FJKM izay i Marc Ravalomanana mihitsy no nanome aina azy. Teo ihany koa ny fivorian’ny SYNAD ary any an-toerana ihany koa no tanterahina ny fivorian’ny Ben’ny tanàna an-tanàn-dehibe. Ireny fahombiazana ireny no tsy matiny lolo ka korontaniny mba hamafana ny zavatra tsara, raha ny fanampim-baovao. Nisy ny fivoriana vonjimaika nataon’ireo manampahefana, ka nanapahana fa Prefe an'i Morondava, fa manomboka iny omaly iny dia amin’ny 8ora alina no farany azo handehandehanana, ka mihatra izany ny "couvre feu". Ho hentitra ny OMC (Organe Mixte Conception) amin'ny fisavana ny karapanondrom-pirenena.

Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT