Raikitra ny gidra omaly naraina tao Sanfily Toliara ka olona efatra no naratra, vadintany ny iray izay bongo maso voatifitry ny totohondry, raha ny mpanampy azy roalahy naratra voadaroka rovitra hatramin’ny ankajony mihitsy.
Vehivavy iray bevohoka amin’ireo mpivarotra amoron-dalana roa esorina naratra nivoa-dra teo amin’ny tanàna havia voadaroka tsy nety niala niaro ny fananany. Ilain’ny tompony ny tany araka , nandritra ny fanalana an’ireo mpivarotra roa amoron-dalana, satria ilain’ny tompony ny tany araka ny didim-pitsarana nivoaka ny 10 oktobra lasa teo izay mandroaka ireo mpivarotra ampitan’ny fiantsonan’ny taksiborosy zotra nationaly mankaty an-drenivohitra, ka tonga hanatanteraka ny didy fandravana trano teny an-toerana ny vadintany niaraka amin’ny mpitandro filaminana, nefa tsy raikitra noho ny fifajevoana. Tsy manaiky lembenana ny an-daniny sy ny an-kilany fa samy milaza ho manana ny marina ary miandry ny rariny. Saika nivadika ho zavatra hafa tanteraka ity raharaha ity omaly raha tsy voafehy haingana, satria nisy ny sasany tamin’ireo olona nitazana teo, toa voakarama hanakorontana izay niketrika handoro tobin-tsolika tsy lavitra teo ary vonona ny handroba mihitsy ireo mpanararao-paty.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.