Actualités

Gidragidra ara-tany Misy misompatra ny ONG Angela any Miarinarivo


  • Talata 16 Jolay 2019

Nividy ny tany ara-dalàna tany amin’ny tanànan’Andranomena, fokontany Ambohinirina, distrikan’i Miarinarivo, faritra Itasy ny Fikambanana ANGELA, mpanao asa soa, ny taona 1994, raha ny fanazavana azo.

 

 

Nanao ny asa fihariana tamin’ny fambolena sy fanondranana “Cornichon » tany ivelany, loharanom-bola nentin’ity fikambanana ity nanampy ireo mponina: manome vola azy ireo, nampindramina hahafahana mamokatra, manome masomboly,.... Niroso tamin’ny fananganana fotodrafitrasa maro toy ny sekoly, hatramin’ny fananganana tobim-pahasalamana sy kianja malalaka hialan’ny tanora voly. Nilamina tsara ny fiaraha-monina nandritra ny taona maro. Taty aoriana anefa, hoy izy ireo, dia nitsiriritra an’izany toerana izany ny vadina manamboninahitra jeneraly misotro ronono iray. Nitady hevitra hanelingelenana ny asa soa ataon’ny ONG Angela izy io. Nisy fandrokidrokiana sy fandrebirebena ny sain’ireo mponina. Nasaina nandoa vola 30.000 Ariary isan-tokantrano ireo mponina ka nampanantenaina fa hahazo tany amin’izany tanin’ny ONG Angela izany, hoy hatrany ny fanazavana. Nanomboka teo ny savorovoro. Nisy ireo ambaran’ny ONG Angela fa marivo salosana voarebireby, ary tao ambadika sy nialokalofan’io vadina manamboninahitra Jeneraly misotro ronono io ny Fikambanana iray fanta-daza amin’ny resaka tany sy asa sosialy ihany koa. Nisehoana famotehana ny fotodrafitrasa nataon’ny ONG Angela ny disadisa. Nisy namotika ny famokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro, nisy nanafika ny dokotera napetraky ny ONG hitsabo ireo marary tao amin’ilay tanàna. Manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana hijery akaiky ny zava-misy izy ireo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT