Actualités

Gérard Rakotonirina “Tsy voasazy izany raha mpanao gazety tena matihanina”


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Tany amin’ny taona 2016, dia nisy ny hetsika niadiana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety na ny MLE.

 

 

 Tsoriko fa tsy nankasitrahako ireny satria efa hery isika, ka tsy mila mampiseho hery, fa manatona ny antenimiera, dia maneho hevitra, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM Atoa Gérard Rakotonirina, raha nivahiny tao amin’ny onjam-peon’ny Top Radio 102.8Fm omaly alahady tolakandro. Nisy ny nankasitraka sy tsy nankasitraka, dia nijoro teo afovoan’ny OJM, ary tamin’ireny no nisian’ny fihaonana tamin’ny filoha sy ny fananganana kaomisionina fakan-kevitra, hoy izy. Fahabangana no betsaka raha ampitahaina ilay lalàna nampiharina sy ilay fanitsiana amin’izao. Misy andinin-dalàna ohatra ny mifanohitra, toy ny tsy famonjana mpanao gazety, raha misy diso ny lahatsoratra, na misy endrika manohintohina fiainan’olona,… kanefa misy mivadika ho any amin’ny fampiharana ny fehezan-dalàna famaizana ihany. Amin’izao kosa dia tsy misy ny famonjana ao anatin’ny ambara fa heloka amin’ny asa fanaovan-gazety. Tsikaritra ho midangana kosa ny resaka onitra satria ny resaka famoahana sarin’olona, ohatra, dia hatrany amin’ny 10 tapitrisa ariary. Rehefa mitondra sary na horonan-tsary na horonam-peo, raha eny amin’ny fitsarana, dia mila fanamarinan’ny vadin-tany. Raha ao anatin’ny asa fanaovan-gazety, dia tsy voakitika ao anatin’ny lalàna raha marina ilay zavatra mitranga dia tsy fanalam-baraka izany, izay tsy hikendrena hanalam-baraka olona na vaovao mety hitera-doza amin’ny filaminam-bahoaka,… hoy izy. Rehefa manaja ny etika sy ny deontolojia ny mpanao gazety maka sary sy maka feo, dia heveriko fa tsy fandikan-dalàna izany ary tsy mahavoasazy. Ny zavatra tokony hotandrovana, dia ny fananana saina mandry hoe vaovao voamarina. Ny fanazavan’ny mpahay lalàna, dia mety mora loatra ilay lamandy ka raha misy olona mampirisika hoe asio iry olona ery, dia voaloa ny lamandy fa mbola mamerina ihany avy eo, raha ny nambarany. Somary nanipy teny anefa izy, fa ny mpahay lalàna, dia misy ny toa miezaka miditra amin’ny fanaovan-gazety, fa ny aty an-kilany anefa tsy miditra amin’ny azy. Tsy tokony hisy tratran’io, raha tena manao ny asany matihanina, hoy ny filohan’ny OJM Gérard Rakotonirina.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT