Manao ranolava ny fanakianana sy ny fitakiana ny hanafoanana ny voka-pifidianana ka hanatanterahana fifidianaan vaovao indray taorian’ny nanamafisan’ny vaomiera mikarakara ny fifidianana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety fa hatao amin’ny alarobia 19 novambra 2014 ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoha, hifanandrinan’i Hervé Rakotozanany (RDB) nahazo isam-bato 198 sy Gérard Rakotonirina (Basy Vava – Takoritsika) nahazo isam-bato 197
. Tao amin’ny Radio Nasionaly Malagasy, omaly, dia nitaky ny handravana ny komitim-pifidianana ary hanokafana fanadihadiana amin’ny antony nitarika ny savorovoro tamin’ny famoahana voka-piofidianana i Johary Ravaojanahary, mpanao gazetin’ny TVM. Miantso an’i Fano Rakotondrazaka, mpanao gazety mpikambana ao amin’ny CENI-T, ity tale jeneralin’ny ORTM (Office de la Radio et de la Télévision Malagasy) nandritra ny tetezamita ity, mba handray an-tanana ny fanomanana ny fifidianana izay ho filohan’ny Holafitra miaraka amin’ireo mpikambana efa voafidy, dia ny Sekretera jeneraly, ny Mpitambola, ireo filoha lefitra enina ary ireo mpanolotsaina enina. Ny kandida resy, Ralambomahay Tarihimanitra sy ny mpanohana azy indray dia milaza ny hamerina any amin’ny minisitera ny kara-panondroana maha mpanao gazety matihanina azy ireo raha tsy maintsy hotanterahina amin’io 19 novambra io ny fihodinana faharoa. Ny kandida Gérard Rakotonirina kosa dia manizingizina ny tokony hanatanterahana ny fihodinana faharoa, na hihemotra tsy ho amin’ny datinandro efa voafaritra mialoha aza. Mitaona ny mpanao gazety tsy ankanavaka hiaro ny safidiny izy, ka ho tonga handatsa-bato amin’ny 19 novambra 2014.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.