Actualités

GBPE Mankalaza ny faha-40 taonany


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2016

Fikambanana tsy miankina amina fiangonana na antokom-pivavahana ny GBPE ( Groupe Biblique des Professionnels Engagés) fa laika.

Ramaharison Johns no filoha mpanorina ny fikambanana izay mbola manana tanjona hanova fo ny mpiasa Malagasy rehetra mpikambana ao anatin’ny 40 taona ho avy  hahafahana mampandroso ny firenena. Nosokafana ny sabotsy teo ny fankalazana ny faha-40 taona nijoroan’ny fikambanana teto amintsika. Anisan’ny asa hiantsorohany ny manao vondrom-bavaka isaky ny alarobia sy zoma antoandro entina hitondrana am-bavaka ny mpiasa Malagasy rehetra. Amin’izy ireo mantsy dia tsy misy zavatra mandeha sy azo antoka raha tsy matotra sy matahotra an’Andriamanitra ny mpiasa iray, lalana izay hahafoana ho azy ny fanaovana kolikoly sy ny hafetsifetsena rehetra  rehefa resy lahatry ny filazantsara ny tsirairay. Faritra miisa dimy eto amintsika no efa misy ny GBPE ankehitriny raha  firenena Eoropeanina efatra ivelan’i Madagasikara no efa misy azy. Efa misy  ny fikambanana ihany koa ny ao La Réunion amin’izao fotoana izao. Tsiahivina moa fa amin’ny 12 ora antoandro hatramin’ny 2 ora sy sasany no hanatanterahan’ny fikambanana izany fotoam-bavaka izany ao anatin’ireo andro roa amin’ny herinandro ireo.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT