Nahatratra 503.009 m3 ny gazoala nampiasain’ny Jiro sy Rano Malagasy nandritra ny volana janoary hatramin’ny jolay tamin’ity taona 2016 ity.
Niabo 8% io tarehimarika io miohatra amin’ireo ny fito volana voalohany tamin’ny taona 2015, hoy ny fanamarihan’ny «Office Malgache des Hydrocarbures». Nitombo avo roa heny maherin’ny tamin’ny taon-dasa ihany koa ny gazoala lanin’ny orinasa mpamokatra jiro sy rano ny volana jolay 2016 teo. Nananika ny 75.000 m3 izany raha 35.000 m3 monja ny volana jolay 2015. Ny antsasa-manilan’ny gazoala jifain’ny tsena anatiny eto Madagasikara dia an’ny Jirama izay manodidina ny 55% raha ny antontanisa farany navoakan’ny OMH tamin’ny tapaky ny volana aogositra 2016. Mitoetra hatrany moa io fandaniana gazoala mihoapampana io eo am-piandrasana ny fihodinan’ireo vata famokarana angovo miisa efatra miainga amin’ny menaka mavesatra ao Mandroseza amin’ny faran’ny taona 2016, araka ny fanampim-panazavana.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.