Mandrafitra ny gazety boky Trandraka laharana fahefatra ny lahatsoratra miisa 9 nosoratan`ireo mpanao gazety18 avy amin`ny faritra manerana an`i Madagasikara.
Miompana amin`ny fitsarana sy ny zon`ny olombelona ny fanadihadiana lalina nataon`izy ireo. Nivoaka omaly tamin`ny fomba ofisialy tetsy Carlton Anosy ny Trandraka andiany fahefatra. Nozaraina tamin`io fotoana io ihany koa ny mari-pankasitrahana an`ireo mpanao gazety nahavita fiofanana. Tafiditra ao anatin’ilay tetikasa IDIRC (Institutions Démocratiques, Intègres, Responsables et Crédibles) izy ity, vatsian’ny « Fonds pour la consolidation de la paix » vola ary karakarain’ny UNESCO. Marihana fa ny Trandraka andiany fahatelo dia nifantoka tamin`ny lohahevitra fanjakana tsara tantana sy zon`olombelona. Omaly rahateo no nanamarihana ny andro eran-tany ho an’ny zon’olombelona, niaraka tamin’ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona. Nandritra ny lahateniny, niaiky ny Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier, minisitry ny fiarovam-pirenena, fa mbola maro amin’ireo andininy ireo no tsy voahaja eto Madagasikara. Fanambin’izao tontolo izao ary fanambintsika eto Madagasikara ihany koa ny fampanjariana ny zon’olombelona kanefa mbola maro amin’ireo andininy miisa 30 voatanisa ao anatin’ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona mantsy no tsy voahaja eto amintsika, raha tsy hilaza afa-tsy ireo karazana herisetra mitranga mandritra ny fanafihan-dahalo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.