Mandrafitra ny gazety boky Trandraka laharana fahefatra ny lahatsoratra miisa 9 nosoratan`ireo mpanao gazety18 avy amin`ny faritra manerana an`i Madagasikara.
Miompana amin`ny fitsarana sy ny zon`ny olombelona ny fanadihadiana lalina nataon`izy ireo. Nivoaka ny alatsinainy lasa teo tamin`ny fomba ofisialy tetsy Carlton Anosy ny Trandraka andiany fahefatra. Nozaraina tamin`io fotoana io ihany koa ny mari-pankasitrahana an`ireo mpanao gazety nahavita fiofanana. Tafiditra ao anatin’ilay tetikasa IDIRC (Institutions Démocratiques, Intègres, Responsables et Crédibles) izy ity, vatsian’ny « Fonds pour la consolidation de la paix » vola ary karakarain’ny UNESCO. Marihana fa ny Trandraka andiany fahatelo dia nifantoka tamin`ny lohahevitra fanjakana tsara tantana sy zon`olombelona. Nanamarihana ny andro eran-tany ho an’ny zon’olombelona, niaraka tamin’ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona. Nandritra ny lahateniny, niaiky ny Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier, minisitry ny fiarovam-pirenena, fa mbola maro amin’ireo andininy ireo no tsy voahaja eto Madagasikara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.