Hifarana anio zoma 14 jona ao amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely rehefa naharitra roa andro, ny “team building project” na fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Ny fikambanana Gasy Youth Up no tompon’antoka, fikambanana misehatra amin’ny lafiny sosialy, ny ekonomika, ny tontolo iainana ary ny zon’ny ankizy. Araka ny voalazan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fikambanana, ny fanamafisana ny firaisankinan’ny mpiasa, ny fandrafetana ny vina iraisana no tanjon’izy ireo, indrindra ny fahaiza-mitarika, mba hahafahana mampiroborobo sy mampivelatra ny tena ho an’ny tsirairay. Marihina fa ireo mpitantana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia miezaka hatrany ny hampitombo ny lenta sy ny fahaizan’ny mpiara-miasa hahafahan’ireo mpiasa manao ny asany an-tsakany sy an-davany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.