Afaka miaraka an-tsehatra ny andrarezina. Noporofoin’i Justin Vali, Regis Gizavo, Dama, Jaojoby, Olombelo Ricky ary Erick Manana notronin-dry Monique Njava, D’Garry, Lilie izany na dia tsy tonga lafatra aza ny fanamafisam-peo. Hafa ary tsy manam-paharoa ny seho teny amin’ny lapan’ny fanantanjahantena Mahamasina ny sabotsy teo.
Mada
« Nomen’i Madagasikara tombony izahay, hoy i Dama ka manao valim-babena aminy ary izy sy ny kolontsainy no entinay any ampita”. Seho tsy tahaka ny seho an-tsehatra mahazatra no hita fa ny namana no mihira ny hira ary tendry amin’ny reviny. Misy aloha ny diso fanantenana, mety tsy zatra ihany koa ny sofina ary maro ireo hira nandrasana fa fohy ny fotoana fa ho an’ireo liana amin’ny zavatra vaovao, mankafy ny kanto tsy mahazatra sy zavakanto sy mozika vokatry ny tany dia nankasitraka ny seho ary andro iray toa zato. Maro ireo hira naverina fa ny nampiaiky ny maro dia i Voara, zazavavy kely niangaly ny hiran’i Erick Manana “Ravalovotaka”izay nampitsangana ny mpijery. Tazana teny an-toerana ny arseveka Odon Marie Arsène Razanakolona, Ravalomanana mianakavy sy ny mpiaradia aminy, Rivo Rakotovao, Luc Ratsimbazafy, Hajo Andrianainarivelo, Niry Ravelojaona, Gothliebb, Gégé Rasamoelina, Profesora Henri ary maro koa ny teratany vahiny, indrindra fa ny mpanao gazety vahiny…Nahatsapa ny rehetra nanatrika teny an-toerana fa nihoatra lavitra ny fampisehoana ny Madagascar All Stars fa toa lasa endrika fampihavanana ny samy Malagasy mihitsy…Andrasana ny andiany faharoa.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.