Napetraka omaly ny vato fototry ny toeram-piantsonan’ny fiara eny Andohatapenaka izay hivelatra amina velaran-tany 8ha, ka namonoan’ny mpitondra omby mba hanaovana joro mihitsy teny an-toerana.
Haharitra 9 volana ny asa, ka ny orinasa Total no hamatsy vola, ary hanangana toby mpaninjara solika goavana eo an-toerana ity orinasa frantsay ity. Ho an’ny vahoaka Malagasy fa tsy ho an’Antananarivo ihany izy io, hoy ny minisi-panjakana misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena. Ny hita sy tsikaritra anefa dia kopaka hisahahan’ny fanjakana HVM sy ny orinasa Total no misy satria ity orinasa ity no mahazo ampahany betsaka amin’ny tany, ary io no anisan’ny mahatezitra ireo mpitatitra satria mitady ho fetsy sy hanao tohatra fiakarana ny mpitatitra ny fanjakana sy ny orinasa Total. Marihina ihany koa fa tanin’ny orinasa Tiko ity nobodoina ity ary didin’ny be sandry no ataon’ny fanjakana satria tsy mbola voalamina ny fifanolanana eo amin’ny fanjakana sy ny Tiko tompon’ny tany, ka tokony hiandry ny fanapahan-kevitry ny fitsarana mahefa. Efa fanjakan’ny fandikan-dalàna moa no misy eto koa akory atao. Fibodoana tanin’olona izao atao izao ary tsy nisy velively ny fahazoan-dalana avy amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra. Tsy niteny aloha hatreto i Marc Ravalomanana saingy efa re ihany fa tsy hanaiky mora foana ny barofo ataon’ny HVM. Mivoaka ihany koa anefa ny resaka fa paikady entina hanodinana ny saina aman’eritreritry ny olona tsy hifantoka na hanadino mihitsy ny afera Claudine Razaimamonjy no anton’izao fihetsiketsehana tampoka izao, indrindra fa mijoro sy tsy hanaiky mora izay didin’ny be sandry izao i Marc Ravalomanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.