Ny zoma hariva izao eny amin’ny CC Esca Antanimena no hampivady ny talentany i Ganstabab sy Princio
izay samy fantatra amin’ny vazo miteny, mahitsy sy mitantara ny zava-misy eny amin’ny fiarahamonina, amin’ny alalan’ny rima mety handratra sofina ny olona sasany ihany. Nampahafantatra io fampisehoana mitondra ny lohateny «Duo 2 Choc» io ireto mpanakanto roalahy ireto omaly teny Ankorondrano. Fotoana ihany koa nanazavan’izy ireo ny fomba fampitana hafatra amin’ny fitaizana tovovavy tanora sy ny fiarahamonina malagasy amin’ny ankapobeny ao anatin’ny zavakanto. Lohahevitra 5 no hovetsoin’ireto artista mivantambantam-piteny ireto mandritra ny ora telo dia ny fahafatesana, ny fahasalamana, ny politika, ny sosialy ary ny fivavahana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.