Mbola misy 16 ny gadra politika sivily sy miaramila tavela any am-ponja, araka ny fanamarihana nataon’ny mpisolovava Noro Rabemananjara
Manahy ny tenany fa hitombo isa indray ireo gadra politika ireo, manoloana ity fitazonana amin’ny toerana arahi-maso manokana ny filoha Marc Ravalomanana, efa iray volana mahery izao sy ny fitanana am-ponja vonjimaika an’i Jean Marc Koumba sy ireo mpiasan’ny Aviation Civile de Madagascar ao Antsirabe miisa efa-dahy ity mpisolovava ity. Mitaky ny hamoahana azy ireo i Me Noro Rabemananjara. Ity farany moa dia anisan’ireo nogadrain’ny fitondrana tetezamita ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.