Actualités

Gaboraraky ny tafika Tonga teny Tsiadana ilay balafomanga


  • Alakamisy 23 Martsa 2017

Loza amin’atambo no nitranga omaly. Nipoaka avy ao amin’ny toby miaramila R3A Betongolo ny balafomanga amin’irony karazany B 32 irony, izay fitifirana fiaramanidina

. Miaramila iray tao an-toby no voalaza fa naratra voakasok’ilay balafomanga, ka nalefa malaky tsaboina ao amin’ny Hopitaly miaramila eo Betongolo. Omaly tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro no nandre fipoahana mafy ny teny Betongolo sy ny manodidina, fotoana maha be olona teny an-toerana, ao ireo manao fanatanjahantena ankoatra ireo sivily mipetraka amin’ny trano eny manodidina iny toby miaramila sy zandary iny. Tsy mbola nisy tatitra ofisialy mikasika io fipoahana io moa, fa ny fikaroham-baovao no nahalalana fa nipoaka “tsy nahy”, teo am-panomanana fanazaran-tena ara-miaramila, ilay balafomanga. Fipoahana ihany anefa no teny Betongolo fa ilay balafomanga, nitrongy izay rehetra teny anoloany ary nihoatra iny tendrombohitra iny, ary nidoboka tamin’ny trano iray teny Tsiadana, akaikin’ny “arrêt Akondro” raha mizotra taksibe hihazo an’Ankatso. Potika ilay tanteraka ilay trano. Ramatoa iray sendra tao anatiny, nentin’ny hatairana tamin’ny fipoahana no nidona tamin’ny rindrim-biriky ary nentina haingana teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Tsy nisy nahiana ny fahasalamany, ka afaka namonjy ny fianakaviany izy. Fitaovam-piadiana tena saropady izany balafomanga B32 izany, na ny vidiny na ny heriny izay mampidi-doza tokoa. Sarotra ho an’ny maro ihany ny hinoana hoe : nipoaka tsy nahy. Ny tranga toy izao dia manaporofo indray fa gaboraraka ny fitantanana ny fitaovam-piadiana amin’ny toby miaramila eto Madagasikara, goragora ny fitsipi-pifehezana. Tokony hametra-panontaniana ireo komandy ambony eo anivon’ny foloalindahy, sy ny mpitondra fanjakana amin’ny ankapobeny fa dia ho fatifaty ho azy eto ny Malagasy raha mitohy ny toy izao.

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT