Actualités

FUN QUIZZ 22 Norombahin-Ratsimbanirina Nivomalala ny fiara


  • Sabotsy 24 Desambra 2016

Notanterahina omaly zoma 23 desambra teny Ankorondrano ny fanolorana ilay loka goavana tamin’ilay lalao Fun quizz 22 nokarakarain’ny Airtel.

 Norombahan-dRatsimbanirina Nivomalala  ny fiara Ford vaovao be miloko fotsy izay nambarany fa fanomezana fetin’ny Noely tena raitra sady tsy nampoiziny mihitsy. Nambaran’Andriamatoa Maixent Bekangba fa natao indrindra hamalifaliana ireo mpanjifany ny hetsika tahaka izao, indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely izao. Môtô vaovao be raitra kosa no natolotra an-dRaholivololona Andriantsilaizina nahazo ny laharana faharoa. Tsiahivina moa fa ankoatra ity Fun quizz ity dia lalao goavana iray mbola miandry ny rehetra ihany koa ny “tanteraka ny nofiko” izay hifarana ny volana janoary ho avy izao. Fiara sprinter iray vaovao kosa no miandry an’izay tsara vintana indrindra amin’izany.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT