Actualités

Freddy Gadra voakarakara manokana


  • Alakamisy 14 Janoary 2016

Nanaitra ny tenin’ny tonia mpampanoa lalàna ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, Rajaona Thierry,

 

 tamin’ny mpanao gazety, ny talata teo, nanazavany ny mikasika ny raharaha Arnaud, ilay tovolahy 17 taona, zanaka mpandraharaha nisy naka an-keriny niaraka tamin’i Annie, anabaviny, ny 23 novambra 2015. Nambarany tsy ampihambahambana fa « tena mifaningotra amin’io raharaha fakana an-keriny io i Freddy na mbola mifonja ao Tsiafahy aza, satria voaray avokoa ny resaka nifanaovany tamin’i Borille Jean, mpandraharaha ny fonja ao Toamasina, nifandray tamin’ny mpaka an-keriny tamin’ny fitakiana ny vola ». Nohelohin’ny fitsarana higadra mandrampahafatiny i Freddy noho ny raharaha fakana an-keriny. Mifonja eny Tsiafahy ny lehilahy. Mampametra-panontaniana ny maro ny mbola hahafahany mifanerasera amin’ny aty ivelany. Tsy vitan’ny miantso an-telefaonina, araka ny ambaran’ny mpampanoa lalàna izy, fa mikirakira facebook ihany koa. Sa noho i Freddy Mpandraharahan’ny fonja teo aloha dia mahazo fikarakarana manokana ? Andrasana ny fanazavan’ny avy eo mpandraharahan’ny fonja mikasika izany.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT