Tsy misy tsy mitaraina amin’ny ataon’ity teratany frantsay, antsoina hoe J.F, manambady Malagasy mipetraka ao Sainte Marie ity
. Raha ny fanazavan’ny mponina izay nohamafisin’ireo mpiara-monina aminy dia manao izay tiany izy io amin’ny maha frantsay azy sy izy manana mpiaro ao amin’ny fitondrana ka manimbazimba ny maha malagasy sy ny fomban-tany any an-toerana. Tranga iray ahiana hiteraka zavatra hafa no hifanolanan’ity teratany frantsay J.F ity amin’ireo mpiara-monina aminy ao amin’ny Ile aux Nattes ao. Vitany ny nitoraka fasika ity mpitaingina moto tsy manana olana aminy akory ny talata 20 oktobta teo. Vokany, jambena ilay tovolahy ka nidona tamin’ny vodihazo ary nipitika, ka vaky ny lohany. Raha nanontany ny fianakavian’ity tovolahy naratra, dia resaka fiarovana ny alikany sao voadonan’ny moto no valiny nomeny. Voatery nitondra ny raharaha teny amin’ny polisy ny fianakavin’ity tovolahy, satria raha natao ny fizahan’ny mpitsabo dia tena voa mafy ny lohan’ilay tovolahy ary mbola nahitana faritra tapaka maromaro ihany koa ny taolany. Raha nanao fanadihadiana teny an-toerana anefa ny polisy dia niandry ny fiavian’izy ireo niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana, antsy fohy (poignard), ilay teratany frantsay ka tsy vita ny fanadihadiana. Nisy ny fampiantsoana nomena ilay frantsay hiatrika fanadihadiana tao amin’ny kaomisarian’i Sainte Marie ny alakamisy 22 oktobra teo ary nalefa nody izy taorian’izay. Tsy faly tamin’izany ny mpitory ka nandefa ny raharaha teo anivon’ny fampanoavan’ny fitsarana tao Toamasina, izay namoaka didy fampisamborana ity teratany frantsay ity hiatrika ny fanadihadiana lalina tokony hatao aminy. Tsy misy mpanatanteraka anefa izany hatramin’izao. Ahiana hivadika valifaty ity raharaha ity raha tsy misy ny fandraisaina andraikitra haingana any an-toerana, ka mety hanaratsy indray ny fifandraisan’i Madagasikara sy Frantsa tahaka ny zava-nisy tany Nosy be. Malaza amin’ny haratsiam-panahy mantsy io teratany frantsay io.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.