Actualités

Frankofonia - CCI Ivato Lesoka ny fikirakiram-baovao


  • Alarobia 23 Novambra 2016


 

Ny manao zavatra tsy mora, araka ny fomba fitenintsika Malagasy. Tsy hay anefa ny hangina manoloana ny zava-misy iainan’ny mpanao gazety (Malagasy) mandrakotra ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia eny amin’ny CCI (Centre de Conférence Internationale) Ivato izay nanomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly. Olana kely voalohany ny tsy fahampian’ny fiara fitaterana izay voatery niverimberina, hany ka nisy ampahany tamin’ireo mpikirakira vaovao no tara tsy nahatratra ny fanombohana. Nampikaikaika ny mpitrandraka vaovao ihany koa ny lafiny fampitam-baovao amin’ny ankapobeny. Tsy tomombana araka ny tokony ho izy mantsy, ohatra, ny fampiasana ny aterineto izay miadana be tsy ahafahana mandefa ny vaovao ara-potoana. Nisy tamin’ireo mpanao gazety mihitsy no nandao ny trano natokana ho an’ny fikirakiram-baovao mialoha ny fotoana. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ireo sampana fampahalalam-baovao Malagasy ihany no mitambatra ao amin’ny efitra malalaka be anankiray raha nomena ireny antsoina hoe “studio” manokana ireny ireo mpanao gazety vahiny. Tsy lazaina intsony ny lafiny teknika izay sahanin’ireo manampahaizana vahiny ihany koa. Mampieritreritra !


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT