Actualités

Frankôfônia 2016 Navotan-dRavalo i Hery


  • Talata 22 Novambra 2016

Raikitra ny Frankônia 2016. Fivorian’ny filankevitra maharitra no hisantatra ny fihaonambe anio.


Be ny teny tsy miloaka sy ny teny anankapo amin’izao fihaonana iraisam-pirenena goavana voalohany ampiantranoan’i Madagasikara izao. Tanteraka ihany ny nofinofin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, nanao izay hampiantranoan’i Madagasikara io fihaonana an-tampon’ny Frankônia io. Azony ary raikitra fa hatao teto tamin’ny 2010 io. Fotodrafitrasa efa nomanin’ny fitondrany handraisana izany fihanaombe izany io Centre de Conférences International sy ny hotely sokajy kintana dimy, mifanila aminy izay tantanin’ny orinasa Sheraton ankehitriny io ary koa ireo trano vaovao miisa 54, nomena anarana “Villa présidentielle” izay lasa, Hôtel Paon d’Or tantanin’ny Sinoa ankehitriny eny Antanetibe Ivato io. Eny fa hatramin’ny fiarakodia aza efa vonona avokoa tamin’izany. Saingy nisy iny raharaha 2009 iny, dia foana hatramin’ny fihaonamben’ny Vondrona Afrikanina tokony ho natao teto, ka voatery nafindra tany amin’ny firenen-kafa. Tany Libia ny fivorian’ny Vondrona Afrikanina, tany Soisa kosa ny Frankônia 2010. Nijanona teto anefa ireo fotodrafitrasa namboarin-dRavalomanana tamin’izany, ary ireo zava-bitan-dRavalomanana ireo aza no nanavotra ity fitondrana Rajaonarimampianina ity, handraisana izao Frankônia 2016 izao. Samy hampiasaina avokoa na ny Centre de Conférences International, na ny Hôtel Paon d’Or na ny Sheraton hanatanterahana fivoriana sy hitoeran’ny vahiny. Raha tsy nisy ireo dia ho sahirana ity fitondrana ity. Izao aza na ny hotely handraisana vahiny feno hipoka avokoa, hany ka voatery nanao antso avo amin’ny olon-tsotra manana trano azo andraisana vahiny ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy Atallah Béatrice, fa misy vahiny tsy manan-kisitrihana.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT