Nampisahotaka an’i Soanierana Ivongo manontolo ny namonoan’ny tompona lavanila nahatratra ambodiomby mpangalatra lavanila maitso teo amin’ny taniny ny 7 aprily lasa teo.
Tsy ahitan-teny mikasika ity raharaha ity ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana hatramin’izao. Ambaran’ireo havan’ny maty fa famonoana olona tsy mifaditrovana no nitranga. Mitaky ny fampiharana ny lalàna velona amin’ny namono izy ireo izay tsy iza fa ny filohan’ny filankevitry ny tanànan’i Fotsialanana sy ny zanany lahy izay nilaza fa nahatratra ambodiomby an’ity mpangalatra ity ka nanenjika azy hatrany amin’ny 200 m. Notsatohana lefona nivantana izy rehefa tratra ary notaritarihana teny amin’ny toerana nangalarany ny fatiny. Ny fokonolona tao Fotsialanana no nandevina ny razana. Tsy mbola misy fanadihadiana misokatra hatramin’izao. Rehefa tsy handray andraikitra ny manampahefana dia mety hiafara amin’ny fifamonoan’ny fianakaviana ao amin’ny Faritra Analanjirofo ity resaka ity, hoy ireo fianakavian’ny maty tamin’ny Fikambanan’ny Mponina Ivongo (FMI).
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.